|

SEM l’Ambassadeur de Maurice;
SEM le Représentant de l’UNICEF;
Atoa misolontena ny filohan’ny Delegationa Manokana ny tananan’Antananarivo;
Atoa sy Rtoa isany Tale jeneraly;
Rtoa sy Rtoa Mpitantana ny RTM;
Atoa sy Rtoa isany Mpikambana ao amin’ny CIACESM sy ANCESM;
Atoa sy Rtoa isany;
Ianareo olo-manakaja nasaina;
Tompokolahy sy Tompokovavy
Ny voalohan-teninay dia manolotra aminareo fialan-tsinin-dRamatoa Ministra, tsy afaka ho tonga nanome voninahitra izao fotoana izao, noho ny adidy sy andraikitra mahatana azy any an-toeran-kafa, ka naniraka ny tenanay hisolo-tena azy amin'ity lanonam-panokafana ny Tsenabe « TSIRY » eto amin'ity toerana manan-tantara ity androany. Koa raisiko fifaliana sy voninahitra ny mihatrika anareo rehetra vory eto ankehitrio amin'izao Lanonana lehibe izao.
Manaraka izany dia miarahaba anareo rehetra ny tenanay, tonga maro. Arahabaiko toa vonikazo ianareo, ho vangian'ny lolo-marevaka sy ho tsidihan'ny renin-tantely.
Tolorana fisaorana manokana ianareo mpandraharaha avy any amin'ny Faritra mitondra ny entana izay aseho sy amidy eto. Izao fandraisana anjara mavitrika izao dia mampiseho fa zava-dehibe tokoa aminareo ny Varotra Ara-drariny sy ny fambolena ara- biolojika.
Manan-tantara ny zavatra rehetra ka alohan'ny hidirantsika amin'ny votoatin-dresaka dia mamela any ianareo hampatsiahy fohy mikasika ny Varotra ara-drariny.
Ny taona 2003 no natomboka ny fieritreretana ny fametrahana rafitra ifehezana ny hampiroborobo ary hampandrosoana azy ity eto Madagasikara. laraha-mahalala fa efa misy ireo mpandraharaha miditra amin'io sehatra io, saingy tsy mbola tomombana ireo ny fepetra mifehy io fomba fifampivarotana io indrindra tamin'izany fotoana izany.
Ny 17 Aogositra 2005 no napetraka ny fifampiraharahana toe amin'ny RTM (Reggio Terzo Mondo) sy ny Ministeran' ny Varotra, ary nohavaozina izany ny taona 2006.
Tamin'ny volana Oktobra 2006 no efa nanatanterahanan'ny RTM ny Tsenabe "HARENA" ka nahitana ny fandraisan'anjaran'ny Sehatra tsy Miankina sy ny Fanjakana ny teto amin'ity toerana ity. Natao tamin'izany ny fampirantiana ny asa-tanana fanondrana.
Fahombiazana izy iny ary mino aho fa ny ankamaroan'ny mpandraharaha eto izao dia efa niaraka teto.
Tsy mitsaha-mivoatra anefa ity sehatra ity ary miavaka kokoa ity hetsika indray mitoraka ity, satria miampy ny fampisehoana ireo vokatra ara-biolojika izay tsara soritana fa ny vokatra ara-biolojika dia miavaka amin'ny vokatra mahazatra izay tsara endrika tokoa sady ara-pahasalamana ary izany no takin'ny tsena ankehitrio. Mampisongadina ity fomba fambolena ity ny tsy fampiasana zezika simika izay mifantoka amin'ny fampiasana zezika voa-janahary ka manome vokatra manana tsiro hafa sy ara-pahasalamana kokoa.
Iharaha-mahita toy ny tafika andrefan-tanàna ny fitomboan'ireo mpiantsehatra amin'ity karazam-barotra ity, izay mivondrona ho Kaoperativa ary efa mahatratra 50 izy ireo ankehitrio ary efa hanenika ny Nosy manontolo.
Vao tsy ela akory izay dia nankalaza ny andro maneran-tany momba ny fenitra ihany koa isika teto Madagasikara ary notsindriana manokana tamin'izany ny fambolena ara-pomba biolojika.
Vao tsy ela ihany koa no namerenana tamintsika ny famaritana ity Varotra ara-drariny ifampihatohana ity, izay mifototra indrindra amin'ireto teboka manaraka ireto :
- fanajana ny zon'olombelona ;
- tsy fampiasana zaza tsy ampy taona;
- fangaraharana eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra,
- fanampiana ny mpamokatra;
- fampidirana ny ampahany amin'ny tombo-barotra ho fampitaovana ;
- fitsinjovana ny tontolo iainana; sns.
Noho izany antony rehetra izany dia tena manana ny maha-izy azy ity fomba fivarotana ity.
Ataoko antso avo aminareo Mpanao asa-tanana fa raha tsy miaraka amin'ny fiarovana ny Tontolo iainana ny fomba fiasantsika dia ho tapitra tamingana ireo akora fampiasantsika ka tsy hisy asa atao intsony isika.
Mpanondrana sy mpampiasa "piassava" I Madagasikara; akora fanaovana borosy sy fanondrana tany amin'ny taona 70 tany izy io, nefa ny tanora amin'izao inoako fa vitsy no mahalala izany mba tsy ilazana fa tsy mahafantatra izany intsony.
Ho faranako amin'ny firariana telo andro feno fahombiazana ho an'ity tsenabe TSIRY ity ka hitondra fampandrosoana maharitra.
Ambarako ary fa misokatra amin'ny fomba ofisialy ity Tsenabe TSIRY ity. Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.
Source : Ministère du Commerce |